FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ATY ANDAFY - FPMA
Église Protestante Malgache en France
FARITANY ATSIMO ANDREFANA Région Sud-Ouest
Montpellier – Toulouse – Clermont-Ferrand – Bordeaux – La Réunion
FITANDREMANA LA RÉUNION Paroisse de La Réunion
« Manaisotra ny zavatra rehetra manembantsembana ny hazakazaka,
mihazakazaka amin’ny faharetana, mijery an’i Jesoa »
«Rejeter tout ce qui alourdit notre marche, Courir avec persévérance, Regarder Jésus » (Hébreux 12,1-2)
************************************************************************
Alahady advento fahatelo 3éme dimanche de l’Avent 14 desambra décembre 2025,
tarihin’ny Sampana AMF animé par la section chorale Feon’Anjomara
Église Saint Yves, Rue de Grenoble, Le Port à 9h30,
Fitondrana am-bavaka ny Sampana Zava-maneno - SZM prière pour la Section Musique Fpma
Teny hotorina - Base de la prédication Matio Matthieu 11.5d-6
« Ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. Sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny Amiko.
La bonne nouvelle est annoncée aux pauvres. Heureux celui qui ne sera pas scandalisé en Moi »
Lohahevitry ny fankalazana : MINO NY VAOVAO MAHAFALIN’I KRISTY
Thème de la célébration : Croire en la Bonne Nouvelle du Christ
Pasteur Radoniaina TOVONJARAHARILIVA
************************************************************************
Hira hidiran'ny mpanao raharaha (Cantique : entrée de officiants) 79 (Sambasamba Zanahary joie et allégresse avec le Créateur)
Sambasamba Zanahary
::,:Tamin'ny nampidinanao
Ny Zanakao malalanao
Mba hisolo ny helokay !:,::
Mpitarika (l’officiant) : Amin’ny anaran’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Au nom du Dieu Père, du Fils et du Saint Esprit
Fiangonana (l'assemblée) : Amena
Teny fandraisana sy fiarahabana accueil et salutation
FIARAHABANA APOSTOLIKA (Salutation apostolique) : « Ho an’izay rehetra malalan’Andriamanitra sady voantso no masina : Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. A tous les bien-aimés de Dieu, à vous grâce et paix de la part de Dieu notre Père et du Seigneur Jésus Christ »
FANATONANA SY FANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA [Mitsangana, l’assemblée se lève]
Mpitarika (l’officiant) : Aoka isika hanatona ny Tompo ka hiara-mankalaza sy manome voninahitra Azy Approchons nous du Seigneur pour le louer Salamo Psaumes 146 : 1-7 (Vakina miaraka, Lecture commune) :
« Haleloia. Miderà an’i Jehovah, ry fanahiko. Hidera an’i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola velona koa. Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany. Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay, Izay manome rariny ho an’ny ampahorina, Izay manome hanina ho an’ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra. Amena » Louez l'Éternel! Mon âme, loue l'Éternel! Je louerai l'Éternel tant que je vivrai, Je célébrerai mon Dieu tant que j'existerai. Ne vous confiez pas aux grands, Aux fils de l'homme, qui ne peuvent sauver. Leur souffle s'en va, ils rentrent dans la terre, Et ce même jour leurs desseins périssent. Heureux celui qui a pour secours le Dieu de Jacob, Qui met son espoir en l'Éternel, son Dieu! Il a fait les cieux et la terre, La mer et tout ce qui s'y trouve. Il garde la fidélité à toujours. Il fait droit aux opprimés; Il donne du pain aux affamés; L'Eternel délivre les captifs.
Hira Cantique 45 : 1,2,3 (He tonga ho antsika louange à notre Sauveur et notre Roi)
1. He, tonga ho antsika
Ny Tompo mora fo,
Mpamonjy, havantsika,
Ilay mamindra fo !
Andeha mba hifaly
Isika ry zareo :
Nahazo Mpampifaly,
Ka manandrata feo !
2. Hajao ny Tompontsika,
Mpanjaka lehibe
Andriamanitsika,
Mpanala rofy be ;
Avia mba hidera
Ry mino tsara fo !
Avia manatera
Ny saotra ao am-po !
3. Ry Tompo Zanahary
Mihira izahay,
Fa teny mahafaly
No tonga ho anay !
Ny andro famonjena
No andro sitrakay,
Fanahy manantena
No ifalianay !
VAVAKA FIHAONANA (prière) [Mipetraka, l’assemblée s’assoie après la prière]
Feon-kira Musique
Fahanginana silence
Hira Cantique 58 : 1,3 (Feo FFPM 71 Alina masina, tonga ny Mpanavotra le Sauveur est venu pour te sauver)
1. Alina masina,
Tonga ny Mpanavotra;
Indro teraka ao Bethlehema
Ny Mpanjakan'i Jerosalema,
:,: Izay mpamonjy anao :,:
3. Alina masina,
Nisehon'ny Zanaka;
Ny mazava niposaka,
Ka ny tahotra afaka;
:,: Mifalia izao :,:
FIAIKEN-KELOKA SY FIFONANA Confession des péchés
Mpitarika (l’officiant) : Aoka hanatrika ny Tompo isika ka hanetry tena sy hiaiky ny fahotantsika ka hifona Aminy hangataka famelana ny helotsika. Andeha samy hivavaka mangina. Humilions-nous devant le Seigneur, confessons nos fautes et demandons pardon pour tous nos péchés
Fiangonana (l'assemblée) : Ry Rainay be famindrampo ô, mitalaho Aminao izahay, mamelà ny helokay. Diovy izahay ho afa-pahotana. Sasao izahay ho afa-keloka ary havaozy ny fanahinay mba ho velon-kanompo Anao. Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Mpamonjy anay no angatahinay Aminao. Amena. Père plein de grâce, nous te supplions de pardonner nos péchés. Purifie-nous. Lave-nous de tous nos péchés et donnes-nous le renouveau pour te servir. Par l'amour de Jésus Christ notre Sauveur nous faisons cette prière. Amen.
HIRA FIFONANA Cantique de confession des péchés :
Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindra fo aminay!
Ry Jesosy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay!
Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay!
FAMELAN-KELOKA SY FIHAVANANA Déclaration du pardon [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
Mpitarika (l’officiant) : « Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany » VOAVELA NY HELOKAREO NOHO NY ANARANY MASINA. Miderà an'Andriamanitra.
Louons Dieu, le Père de notre Seigneur Jésus-Christ! Il nous a bénis dans notre union avec le Christ, en nous accordant toute bénédiction spirituelle dans le monde céleste. Car, par le sacrifice du Christ, nous sommes délivrés du mal et nos péchés sont pardonnés. Dieu nous a ainsi manifesté la richesse de sa grâce. VOS PÉCHÉS VOUS SONT PARDONNÉS. RENDEZ GLOIRE À DIEU! (Efesiana Ephésiens 1.3,7).
Fiangonana (l’assemblée): « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay » Car Dieu a tant aimé le monde qu’il a donné son Fils Unique, pour que tout homme croit en Lui ne périsse pas mais ait la vie éternelle » (Jaona Jean 3.16)
Hira Cantique 83 : 1,4 (Ry Jesoa ô Ianao no mahavonjy Jésus, Toi seul peut nous sauver)
1. Ry Jeso ô! Hianao no mahavonjy
Izay rehetra hiankina aminao;
Tonga taty hitady sy hamonjy
Izay mpanota very Hianao.
4. Dia nolatsaina sy nalam-baraka
Sy novonoin'olon-dozabe,
Ka dia maty Hianao Mpanjaka
Ho fanavotana olo-marobe.
He! Ry mpanota, sns...
Fiv : He! Ry mpanota very aty!
:,: O! mankanesa ho any aminy.:,:
SITRAPON’ANDRIAMANITRA Volontés de Dieu [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
Mpitarika (l’officiant): « Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina. Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany. Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. Heureux les pauvres en esprit, car le royaume des cieux est à eux! Heureux les affligés, car ils seront consolés! Heureux les débonnaires, car ils hériteront la terre! Heureux ceux qui ont faim et soif de la justice, car ils seront rassasiés! (Matio Matthieu 5.3-6). Amena. (Hiraina chanté)
FANKALAZANA Louange (Hiraina chanté)
Mpitarika (l’officiant) : Voninahitra any amin’ny Avo indrindra ho an’Andriamanitra
Fiangonana (l’assemblée) : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.
Hiran'ny ankizy sy ny tanora chant des enfants et des jeunes FF 40 : 1,2,4 (La nuit du salut) [on se lève pour chanter]
1. C'était La Nuit du Salut
On s'en souvient à présent
Car le Seigneur très riche
Naquit en ce moment-là
C'est un Amour fort étonnant
Que Dieu a bel et bien montré
2. C'était La Nuit du Salut
On s'en souvient à présent
J'ai conclu avec Le Seigneur
Le pacte de rédemption
A lui j'ai donné tout mon corps
Pour moi, son sang est mon rachat
4. C'était La Nuit du Salut
On s'en souvient à présent
Mon Jésus s'est rabaissé
Par sa suprême pitié
O ! bel Amour rendant égaux
Les riches et les malheureux
Fiv : Le coeur est rempli d'immense gaité
De joie, de bonheur éternels
On clame tout haut
La Chanson du Ciel : Haleluia !
Toriteny amin’ny teny frantsay Prédication en français
FIOMANANA AMIN’NY VAKITENY SY NY TORITENY Lectures bibliques et prédication :
Hira Cantique 175 : 3,4 (Midina Ianao Esprit d’illumination)
3. Midina Hianao,
Ry Mpanazava anay,
Hanaisotra ny aizina
Aty anatinay!
4. Avia Mpananatro ô!
Mombà anay tokoa;
Ampahatsiarovinao!
Ny teny mahasoa,
Mpitarika (l’officiant) : Ho aminareo anie ny Tompo [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
Fiangonana (l’assemblée) : Ary ho amin’ny fanahinao!
Vavaka hampahazava ny teny Prière d’illumination
SORATRA MASINA Écritures saintes
- Isaia Ésaïe 35.1-10
- Jakoba Jacques 5.7-10
Hira Cantique 76 : 3 (Aza taitra matokia N’aie pas peur, aie confiance!)
3. Aza taitra, matokia,
Manatòna, mihainoa,
Mazotoa, ka avia
Maneke ny Tompo soa !
Arahaba, Tomponay ô
Tompom-pihavananay,
Teraka ho Tomponay,
Tompon'ny fiainanay,
Arahaba Tomponay,
Ry Mpanavo-dehibe !
- Matio Matthieu 11.2-11 [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
Fiangonana (l'assemblée) : Isaorana anie ny Tompo noho ny filazantsara (Hiraina chanté) Rendons grâce au Seigneur pour l’évangile
FANEKEM-PINOANA NIKEANA (Symbole de Nicée) [Mitsangana l’assemblée se lève]
« Isika mino an'Andriamanitra Iray, Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra na ny hita na ny tsy hita. Ary an'i Jesoa Kristy Tompo Iray, Zananilahy Tokan'Andriamanitra nateraky ny Rainy talohan'izao rehetra izao, ny Mazava avy amin'ny Mazava. Andriamanitra tokoa avy amin'Andriamanitra nateraka fa tsy natao, miray amin'ny Ray amin'ny zavatra rehetra. Izy no nahariana izao tontolo izao. Noho ny amintsika olombelona sady ho famonjena antsika dia nidina avy tany an-danitra Izy, ary nataon'ny Fanahy Masina nofo avy tamin'i Maria Virijiny, dia tonga olona Izy. Nohomboana tamin'ny hazofijaliana ho fanavotana antsika, tamin'ny nanapahan'i Pontio Pilato Izy; nijaly Izy ka nalevina. Nitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo araka izay voasoratra Izy. Niakatra ho any an-danitra Izy, ary mipetraka ao an-tànana ankavanan'ny Ray; avy any no hiaviany indray amin'ny voninahitra hitsara ny velona sy ny maty, ary mandrakizay ny Fanjakany. Isika mino ny Fanahy Masina, Tompo sady mpanome aina. Izay avy amin'ny Ray sy ny Zanaka ka itsaohana sy ankalazaina miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka; Izy dia niteny tamin'ny vavan'ny mpaminany. Isika mino ny Fiangonana Iray masina, miorina amin'ny fanambaran'ny Apostoly ary manerana izao tontolo izao. Isika manaiky ny batisa iray ho famelan-keloka sady manantena ny fitsanganan'ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena ».
Je crois en un seul Dieu, le Père tout puissant, créateur du ciel et de la terre, de l’univers visible et invisible, Je crois en un seul Seigneur, Jésus Christ, le Fils unique de Dieu, né du Père avant tous les siècles : Il est Dieu, né de Dieu, lumière, née de la lumière, vrai Dieu, né du vrai Dieu Engendré non pas créé, consubstantiel au Père; et par lui tout a été fait. Pour nous les hommes, et pour notre salut, il descendit du ciel; Par l’Esprit Saint, il a pris chair de la Vierge Marie, et s’est fait homme. Crucifié pour nous sous Ponce Pilate, Il souffrit sa passion et fut mis au tombeau. Il ressuscita le troisième jour, conformément aux Écritures, et il monta au ciel; il est assis à la droite du Père. Il reviendra dans la gloire, pour juger les vivants et les morts et son règne n’aura pas de fin. Je crois en l’Esprit Saint, qui est Seigneur et qui donne la vie; il procède du Père et du Fils. Avec le Père et le Fils, il reçoit même adoration et même gloire; il a parlé par les prophètes. Je crois en l’Église, une, sainte, universelle et apostolique. Je reconnais un seul baptême pour le pardon des péchés. J’attends la résurrection des morts, et la vie éternelle.
Hira Cantique 71 : 4 (Matokia Aie confiance au Sauveur) [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
4. Matokia, matokia
Ka manaraha Azy izao,
Ilay Mpamonjy be fitia
Nanetry tena ho anao !
Matokia izao !
TORITENY Prédication
FAMPAHEREZANA : Raiso ny fitahiana Recevez la bénédiction
Feon-java-maneno fohy Musique
Hiran’ny Antoko Mpihira chant de la chorale
Feon-java-maneno fohy Musique
FILAZAN-DRAHARAHA Annonces
RAKITRA Cantique pour la quête FF 36 (Mifalia Soyez dans la joie), 430 (Endrika sariaka avec joie)
1. Vahoaka sesehena
No miara-paly izao
Miventy ny Antema
Dia hira vaovao
Injao ny fiderana
Manakoako ery
Maneho fanajana
Ho an'ilay Mesia
Fiv : lza àry no tsy hifaly (Mifalia, mihobia)
Hisaotra ao am-po
(Misaora ao am-po)
Fa afa-doza, afa-jaly
(Afaka ianao)
He! famonjena tokoa
(0!) Mihirà, mihobia
Afaka ianao
Teraka ny Tompo Tia
Resy ny rafinao
2. Tsy ireo Anjely ihany
No faly ao am-po
Ny mpino eto an-tany
Miravo avokoa
Fa indro ny Mpamonjy
Mpanjaka be fitia
Nietry an-tranon'omby
Hamonjy ny mania
430 - Endrika sariaka
1. Endrika sariaka no
Anompoako Anao,
Jehovah Ray !
Fa tafika nidika
Izaho dia olonao mandrakizay !
He, ny foko afa-jaly
Tena ravo, sady falifaly !
Fiv : Ka endrika sariaka no
Anompoako Anao Jehovah Ray !
2. Fa tsaroan’izany saiko,
Mandra-maty ho tadidiko
Ny nanavotanao ny aiko,
Ilay fanahy sarobidiko !
Fa nomena fahendrena
Izay ekena fa ny famonjena
Ka endrika sariaka sns...
3. Be ny zavatra mihatra
Mampahory sy mandrera-po ;
Kanefa ireny tsy handratra
Ny arovanao, ry Ilay Tsitoha !
Fa ny fony tena tony
Tsy mba kivy, tsy mba taitra intsony !
Ka endrika sariaka sns...
4. Misy ve ny mampanahy
Sy ny zava-manahirana ?
He, tsy kivy ny fanahy
Fa hijoro ka ho mirana !
Fa Jehovah, Ray mahery
Miandany sady koa mijery
Ka endrika sariaka sns...
Hira Fanolorana Cantique Ry Tompon'ny harena ô (Tout t'appartient Seigneur) [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA Prières d’intercession + Rainay izay any an-danitra (Notre Père)
HAFATRA SY TSODRANO (Exhortation finale et bénédiction) [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
Mpitarika (l’officiant): « Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana. Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’Andriamanitra, Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra. Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Heureux les miséricordieux, car ils obtiendront miséricorde! Heureux ceux qui ont le cœur pur, car ils verront Dieu! Heureux ceux qui procurent la paix, car ils seront appelés fils de Dieu! Heureux ceux qui sont persécutés pour la justice, car le royaume des cieux est à eux! (Matio Matthieu 5.7-10).
Mpitarika (l’officiant): Ho aminareo anie ny Tompo!
Fiangonana (l’assemblée): Ary ho amin’ny fanahinao
Mpitarika (l’officiant): « Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesoa Kristy Tompontsika. Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. Que Dieu, source de paix, fasse que vous soyez totalement à lui; qu'il garde votre être entier, l'esprit, l'âme et le corps, irréprochable pour le jour où viendra notre Seigneur Jésus-Christ. Celui qui vous appelle accomplira cela, car il est fidèle. (1 Tesaloniana Thessaloniciens 5.23-24)
Hira Cantique 530 (Fitiavana rano velona, Amour, eau vive)
FANIRAHANA (Envoi)
Mpitarika (l’officiant): Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina Izay hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary ho mandrakizay. Amena. Mandehana amin’ny fifaliana ka manompoa ny Tompo.
Fiangonana (l’assemblée): Isaorana anie Andriamanitra
Feon-java-maneno firavana (Postlude)
Le Pasteur salue l’Assemblée à la sortie
Après-midi à 14h30 : « Rien que des bonnes nouvelles » : Concert de Noël de la chorale Feon’Anjomara
Prochain culte : Dimanche 21 décembre 2025, FANDRAISANA, Chapelle Immaculée Conception, Rue Sainte Anne, Saint Denis à 9h30.