FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ATY ANDAFY - FPMA
Église Protestante Malgache en France
FARITANY ATSIMO ANDREFANA Région Sud-Ouest
Toulouse – Clermont-Ferrand – Montpellier – Bordeaux – La Réunion - FM Pau
« Manaisotra ny zavatra rehetra manembatsembana ny hazakazaka,
mihazakazaka amin’ny faharetana, mijery an’i Jesoa »
«Rejeter tout ce qui alourdit notre marche, Courir avec persévérance, Regarder Jésus » (Hebreo Hébreux 12,1-2)
Fitandremana LA RÉUNION 25 taona (2001 - 2026) Paroisse de La Réunion 25ème anniversaire
« Ho mandrakizay anie ny voninahitr’i Jehovah; aoka Jehovah hifaly amin’ny asany »
Que la gloire de l'Éternel subsiste à jamais! Que l'Éternel se réjouisse de ses œuvres! (Salamo Psaumes 104.31)
************************************************************************
Alahady dimanche 11 Oktobra octobre 2026, Église Saint Yves, Rue de Grenoble, Le Port à 9h30,
Vavaka ho an’ny Faritany Avaratra Andrefana prière pour la Région Nord-Ouest
FPMA Lille – Amiens – Caen – Creil - Rouen
Rakitra Asa diakonaly Offrandes œuvres diaconales
Teny hotorina Base de la prédication Matio Matthieu 22 : 2,14
« Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ny zanani-lahy.
Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina »
« Le royaume des cieux ressemble à un roi qui fit des noces pour son fils. En effet, beaucoup sont invités, mais peu sont choisis. »
Lohahevitry ny fankalazana : ANDRIAMANITRA RAY, TIA SY MARINA
Thème de la célébration : Dieu le Père, bienveillant et juste
Pasteur Radoniaina TOVONJARAHARILIVA
************************************************************************
Hira hidiran'ny mpanao raharaha Cantique entrée de officiants 426 : 1,2 (Nanatona Anao nous voici Père, miséricordieux!)
1. Nanatona Anao, Mpanavotra ô,
Ny olo-mahantra fahiny
Ny rofiny be, ny senton’ny fo
Naneho fa soa no niriany !
Tsy nety ho sasatra Ianao,
Tsy nisy nolavina akory !
Fa samy nandray ny indrafonao,
Ka ravo ny olona ory !
2. Manatona Anao, ry be indrafo,
Ny olo-mahantra anio,
Fa be siasia sy reraka am-po
Ka raisonao ankehitrio !
Ny maty omeo aina vaovao,
Ny sasatra ampiadano,
Ny masonay jamba mba hazavao
Ny rofin’ny fonay sitrano !
Mpitarika (l’officiant) : Amin’ny anaran’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Au nom du Dieu Père, du Fils et du Saint Esprit
Fiangonana (l'assemblée) : Amena
Teny fandraisana sy fiarahabana accueil et salutation
FIARAHABANA APOSTOLIKA (Salutation apostolique) : « Ho an’izay rehetra malalan’Andriamanitra sady voantso no masina : Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. A tous les bien-aimés de Dieu, à vous grâce et paix de la part de Dieu notre Père et du Seigneur Jésus Christ »
FANATONANA SY FANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA [Mitsangana, l’assemblée se lève]
Mpitarika (l’officiant) : Aoka isika hanatona ny Tompo ka hiara-mankalaza sy manome voninahitra Azy Approchons nous du Seigneur pour le louer Salamo Psaumes 24 : 1-5 (Vakina miaraka, Lecture commune) :
« An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. Fa Izy no nanorina azy tambonin’ny ranomasina. Tambonin’ny rano no nampitoerany azy. Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ny fitoerany masina? Izay madio tànana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga, na mianiana hamitaka. Handray fitahiana avy amin’i Jehovah izy. ary fahamarinana avy amin’Andriamanitry ny famonjena azy. Amena » C’est à l’Éternel qu’appartient la terre avec tout ce qu’elle contient le monde avec tous ceux qui l’habitent, car il l’a fondée sur les mers et affermie sur les fleuves. Qui pourra monter à la montagne de l’Éternel? Qui pourra se tenir dans son lieu saint? Celui qui a les mains innocentes et le cœur pur, celui qui ne se livre pas au mensonge et qui ne fait pas de serments trompeurs. Il obtiendra la bénédiction de l’Éternel, la justice du Dieu de son salut.
Hira Cantique FF 15 (Tompo malala Tsitoha Nous voici Seigneur)
1. Tompo Malala Tsitoha, inty aho
Izao vao nandre ilay feo niantso ahy
Tsapako anatiko ao ny herinao
Mitaona ahy mba hiverina Aminao.
Raiko ô ! Raiko ô ! Inty aho
Raiso mba ho isan’ireo zanakao
Fa izaho ‘zay nania dia hiova
Hanaraka ny didinao Ray ô!
2. Jesosy Zokiko ô ! Raiso aho
Ho isan’ireo zandrinao tianao
Neniko ireny taloha fa hiova aho
Raiso aho ! Raiso aho Jeso ho Anao.
Tompo ô! Tompo ô! Inty aho
Raiso mba ho isan’ireo zandrinao
Fa izaho ‘zay nania dia hiova
Hanaraka ny didinao Jeso!
VAVAKA FIHAONANA prière [Mipetraka, l’assemblée s’assoie après la prière]
Feon-kira Musique
Fahanginana silence
Hira Cantique 403 (Ry Jesoa Tompo tsara ô me voici mon Bon seigneur Jésus)
Ry Jeso Tompo tsara ô!
He, resy lahatra aho izao,
Fa be ny ratsy vitako
Mandifotra ny tenako.
Milela-paladia re,
Fa efa diso lehibe;
Koseho tsy ho hitanao
Ny mariky ny otako,
Ampiasao ny indrafo
Ka mamelà ny heloko!
SITRAPON’ANDRIAMANITRA Volontés de Dieu [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
Mpitarika (l’officiant) : « Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? Aza mitondra fanati-poana intsony; fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana; tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana! Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan’ny fanahiko, mavesatra amiko izany, ka sasatra mitondra azy Aho. Raha mananty tànana ianareo, dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; feno ran’olona ny tànanareo. Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo; mitsahara, fa aza manao ratsy; mianara hanao ny tsara. Quand vous venez vous présenter devant moi, qui vous demande de piétiner ainsi mes parvis? Cessez d’apporter des offrandes illusoires! J’ai horreur de l’encens, des débuts de mois, des sabbats et des convocations aux réunions, je ne supporte pas de voir l’injustice associée aux célébrations. Je déteste vos débuts de mois et vos fêtes : c’est un fardeau qui me pèse, je suis fatigué de les supporter. Quand vous tendez les mains vers moi, je détourne mes yeux de vous. Même quand vous multipliez les prières, je n’écoute pas : vos mains sont pleines de sang. Lavez-vous, purifiez-vous, mettez un terme à la méchanceté de vos agissements, cessez de faire le mal! Apprenez à faire le bien, recherchez la justice (Isaia Ésaïe 1.12-17). Amena. (Hiraina chanté)
FIAIKEN-KELOKA SY FIFONANA Confession des péchés
Mpitarika (l’officiant) : Aoka hanatrika ny Tompo isika ka hanetry tena sy hiaiky ny fahotantsika ka hifona Aminy hangataka famelana ny helotsika. Andeha samy hivavaka mangina. Humilions-nous devant le Seigneur, confessons nos fautes et demandons pardon pour tous nos péchés
Fiangonana (l'assemblée) : Ry Rainay be famindrampo ô, mitalaho Aminao izahay, mamelà ny helokay. Diovy izahay ho afa-pahotana. Sasao izahay ho afa-keloka ary havaozy ny fanahinay mba ho velon-kanompo Anao. Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Mpamonjy anay no angatahinay Aminao. Amena. Père plein de grâce, nous te supplions de pardonner nos péchés. Purifie-nous. Lave-nous de tous nos péchés et donnes-nous le renouveau pour te servir. Par l'amour de Jésus Christ notre Sauveur nous faisons cette prière. Amen.
HIRA FIFONANA Cantique de confession des péchés :
Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindra fo aminay!
Ry Jesosy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay!
Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay!
FAMELAN-KELOKA SY FIHAVANANA Déclaration du pardon [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
Mpitarika (l’officiant) : « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ny rany isika. Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina. Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. »
VOAVELA NY HELOKAREO NOHO NY ANARANY MASINA. Miderà an'Andriamanitra.
Mais voici comment Dieu prouve son amour envers nous: alors que nous étions encore des pécheurs, Christ est mort pour nous. Puisque nous sommes maintenant considérés comme justes grâce à son sang, nous serons à bien plus forte raison sauvés par lui de la colère de Dieu. En effet, si nous avons été réconciliés avec Dieu grâce à la mort de son Fils lorsque nous étions ses ennemis, nous serons à bien plus forte raison sauvés par sa vie maintenant que nous sommes réconciliés. Bien plus, nous plaçons notre fierté en Dieu par notre Seigneur Jésus-Christ, par qui maintenant nous avons reçu la réconciliation.
VOS PÉCHÉS VOUS SONT PARDONNÉS. RENDEZ GLOIRE À DIEU! (Romana Romains 5.8-11).
Fiangonana (l’assemblée) : « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay » Car Dieu a tant aimé le monde qu’il a donné son Fils Unique, pour que tout homme croit en Lui ne périsse pas mais ait la vie éternelle » (Jaona Jean 3.16)
Hira Cantique FF 10 (Mivavaka aho satria ma prière)
1. Miloatra avy ao am-poko
Ny tonom-bavako
Maneho ny fanajako
Sy fankatoavako
Ny Tompoko Tsitoha
Nitahy hatrizay
Hatramin’ny taloha
Sy ho mandrakizay.
Fiv : Mivavaka aho satria tena mino
Mino sy mankato
Manaja sady tia an’Andriamanitro
Mivavaka aho satria tena faly
Faly sy manantena ny avotrao
Omena mandrakizay doria
2. Mibahana ato am-poko
Fanahin’I Kristy
Mitaiza tsy miato
Ka mahafaly ery
Manesika ahy hivoatra
Hiasa bebe kokoa
Ka ataony tafahoatra
Ny hasoavako.
Mivavaka aho satria tena mino sns…
FANKALAZANA Louange (Hiraina chanté)
Mpitarika (l’officiant) : Voninahitra any amin’ny Avo indrindra ho an’Andriamanitra
Fiangonana (l’assemblée) : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.
Hiran'ny ankizy sy ny tanora chant des enfants et des jeunes FF 47 (Ho anao izay mitady ny fiadanan-tsoa Toi qui cherche le vrai bonheur) [on se lève pour chanter]
1. Ianao ‘zay mitady ny fiadanan-tsoa
Amin’izao fiainana izao
Ka mandeha mankatsy, ary sy aroa
Mikorana ary koa milalao
Kanefa tsy mahita izay mahasoa
Fa vizana foana ny nofo
Inty misy Fiainana atoroko anao
Andramo dia hohitanao
Fiv : Jesosy, Jesosy,
(Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
No Fiainana atoroko Anao (Jeso)
Jesosy, Jesosy,
(Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
No hany hampiadana anao
Koa raiso Jesosy ho Tompo Mpamonjy
Hanapaka ny fiainanao
Dia hohitanao’Lay Fiadanana
Haharitra ho mandrakizay
2. Ianao ianjadiam-pahoria-marobe
Amin’izao fiainana izao
Tsy misy hazavana fo toa haizim-be
No mandrakotra ny fiainanao
Ka mila ho kivy sy hamoy fo
Noho ‘reo adim-piainana maro
Inty misy fiainana atoroko anao
Andramo dia hohitanao
Jesosy, Jesosy, sns…
Toriteny amin’ny teny frantsay Prédication en français
FIOMANANA AMIN’NY VAKITENY SY NY TORITENY Lectures bibliques et prédication :
Hira Cantique FF 4 : 1 (Ry Fanahy ô midina Esprit d’illumination)
1. Ry Fanahy ô midina,
Manatreha anay anio Ianao
Mba hanoloranay,
Ny vavakay mangina
Vetsovetsom- po ‘zay atolotray
Vola sy ny harena
Samy tsy anananay
Fa indro vavaka mangina
Fanoloran-tena ho Anao tokoa.
Mpitarika (l’officiant) : Ho aminareo anie ny Tompo [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
Fiangonana (l’assemblée) : Ary ho amin’ny fanahinao!
Vavaka hampahazava ny teny Prière d’illumination [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
SORATRA MASINA Écritures saintes
- Isaia Ésaïe 25.6-10a
- Filipiana Philippiens 4.12-14, 19-20
Hira Cantique FF 2 : 2 (Eny Tompo tsy mba mendrika aho oui Seigneur, je ne suis pas digne)
2. Eny Tompo tsy mba mendrika aho
Feno loto ny ao am- poko ao
Nefa re ilay fitiavanao
No inoako handray ahy
Ho Mpanomponao
Hanoa ny sitrakao sns…
Fiv : Hanoa ny sitrakao
Hanao izay tianao
Ka ho mpanompo vonona
Sy sahy koa
Hitory hatrany ilay Fitiavanao
Ambaram-pialam-pofon’aiko Jesoa.
- Matio Matthieu 22.1 – 14 [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
Fiangonana (l'assemblée) : Ray Masina ô (Hiraina chanté) Rendons grâce au Seigneur pour l’évangile
FANEKEM-PINOANA APOSTOLIKA (Symbole des Apôtres) [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
|
Mino an'Andriamanitra Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany aho. ary mino an'i Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, Izay notorontoronina tamin'ny Fanahy Masina, naterak'I Maria Virjina, nijaly raha nanapaka Pontio Pilato, |
Je crois en Dieu, le Père tout-puissant, Créateur du ciel et de la terre. Je crois en Jésus-Christ, son Fils unique, Notre Seigneur, qui a été conçu du Saint-Esprit et qui est né de la Vierge Marie. Il a souffert sous Ponce Pilate, Il a été crucifié, Il est mort, Il a été enseveli, Il est descendu aux enfers. Le troisième jour, Il est ressuscité des morts; Il est monté au ciel; Il siège à la droite de Dieu. |
Hira Cantique FF 18 : 2,3 (Raha tonga ny andro izay hitsarana Anao si le jugement dernier vient, es-tu prêt?) [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
2.Tanako mangadihady
Nisarangotra nitady
Fanavotana sy Vonjy
F’efa resy ka nilonjy.
Dia noraisinao ry Tompo
Na dia tànana maloto
O voavotrao ‘lay very
Ry Fitiavana mahery.
3. Foko tena fahavalo
Nefa resy ka mimalo
Raha nifona fa naditra
Hitanao nipitrapitra.
Babo ka tsy afaka ho aiza
’Zay noraisinao ho sakaiza
O voavotrao ‘lay very
Ry Fitiavana mahery.
TORITENY Prédication
Fampaherezana : Raiso ny fitahiana Recevez la bénédiction
Feon-java-maneno fohy Musique
Hiran’ny Antoko Mpihira chant de la chorale
Feon-java-maneno fohy Musique
FILAZAN-DRAHARAHA Annonces
RAKITRA Cantique pour les dons de grâce 701 (Ny hiran’ny lanitra tsara tokoa le chant des cieux), Fihirana Miara-mizotra (Miara-mizotra isika ho any Jerosalema vaovao en route ensemble vers le Royaume de Dieu)
701 – Ny hiran’ny lanitra tsara tokoa
1. Ny hiran’ny lanitra tsara tokoa sy mahafinaritra re!
Henoy izany feon’ny olona maro izay faly tokoa mihira hoe:
Fiv : (feo 1)
Haleloia. Amen!
Haleloia. Amen!
Haleloia. Amen!
Haleloia. Amen!
(feo 2)
Ny dera aman-daza sy hery, anie,
Ho Anao, ry Zanak’ ondry
Ny dera aman-daza sy hery, anie,
Ho Anao, Anao, Amen!
2. Toy ny feon’ny rano mahery ny hira ataon’ny tra-bonjy ary;
Manerana ny lanitra ny fiderany, fa vita ny adiny mafy taty.
Haleloia, Amen! sns…
Ny dera aman-daza, sns…
3. Tsy mety mangina ny hiran’ny lanitra, velona mandrakizay!
Endrey ny fihaonana any an-danitra sy ny fiainana mandrakizay.
Haleloia, Amen! sns…
Ny dera aman-daza, sns…
Miara-mizotra isika ho any Jerosalema vaovao
1.- Izao no ho tonga any am-parany any,
Ny vohitra misy ny Tompontsika
Dia hanerinerina ambony havoana,
Ho sangan’ireo tendrombohitra avo.
2.- Hirohotra ho any ny firenena,
Hanao ranolava hifampitaona :
“Andeha isika hiakatra ny tanàna,
Fonenan’Andriamanitr’i Jakôba.
3.- Fa hanoro antsika ny lalany Izy
Mba hizorantsika manaraka Azy,
I Siôna manko no loharano
Ipoiran’ny Teniny sy ny Lalàny.”
4.- Ny Tompo hampihavana ny vahoaka
Hitsara ireo adin’ny firenena ;
Hovàna ny sabatra ho fangady,
Ny lefona ho antsy fijinjana.
5.- Ho foana tokoa ny adim-pirenena,
Hitsahatra koa ny fianarana ady.
Tongava ianareo terak’i Jakôba
Hatóny ny Fahazavan’ny Tompo.
6.- Hanatona hidera ny Ray isika,
Fa Avo sy Masina indrindra Izy ;
Nambarany antsika ny sitrapony,
Ho masina tsy hanan-tsiny isika.
Hira Fanolorana Cantique Ry Tompon’ny harena ô Tout t'appartient Seigneur [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
Ry Tompon’ny harena ô,
Fanatitra an-tsitrapo
Atolotray Anao izao ;
Mba raiso ka tahionao. Amena.
VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA Prières d’intercession + Rainay izay any an-danitra (Notre Père)
HAFATRA SY TSODRANO (Exhortation finale et bénédiction) [Mitsangana, l’assemblée se lève]
Mpitarika (l’officiant) : « Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony mba tsy hiteny fitaka. Ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy
Si quelqu’un, en effet, veut aimer la vie et voir des jours heureux, qu’il préserve sa langue du mal et ses lèvres des paroles trompeuses, qu’il se détourne du mal et fasse le bien, qu’il recherche la paix et la poursuive, car les yeux du Seigneur sont sur les justes et ses oreilles sont attentives à leur prière, mais il se tourne contre ceux qui font le mal. (1 Petera Pierre 3.10-12).
Mpitarika (l’officiant) : Ho aminareo anie ny Tompo!
Fiangonana (l’assemblée) : Ary ho amin’ny fanahinao
Mpitarika (l’officiant) : « Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesoa Kristy Tompontsika. Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. Que Dieu, source de paix, fasse que vous soyez totalement à lui; qu'il garde votre être entier, l'esprit, l'âme et le corps, irréprochable pour le jour où viendra notre Seigneur Jésus-Christ. Celui qui vous appelle accomplira cela, car il est fidèle. (1 Tesaloniana Thessaloniciens 5.23-24)
Hira Cantique 530 (Fitiavana rano velona, Amour, eau vive)
1. Fitiavana rano velona,
Loharano lalina;
Ka miafina ao anatiny
Ny fiainan-danitra!
2. Fitiavana no nirahina
Avy tamin-Jehovah ;
O, mba raisonao, dia ho fantatrao
Ny fahasambarana.
3. Fitiavana didy tokana
Ary didy lehibe ;
Mitoera ao, hitoeranao
Amim-piadanam-be.
FANIRAHANA (Envoi)
Mpitarika (l’officiant) : Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina Izay hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary ho mandrakizay. Amena. Mandehana amin’ny fifaliana ka manompoa ny Tompo.
Fiangonana (l’assemblée) : Isaorana anie Andriamanitra
Feon-java-maneno firavana (Postlude)
Le Pasteur salue l’Assemblée à la sortie
Prochain culte : Dimanche 18 octobre 2026, FANDRAISANA, Chapelle Immaculée Conception, Rue Sainte Anne, Saint Denis à 9h30.