FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ATY ANDAFY - FPMA
Église Protestante Malgache en France
FARITANY ATSIMO ANDREFANA Région Sud-Ouest
La Réunion - Toulouse – Clermont-Ferrand – Montpellier – Bordeaux – FM Pau
« Manaisotra ny zavatra rehetra manembatsembana ny hazakazaka,
mihazakazaka amin’ny faharetana, mijery an’i Jesoa »
«Rejeter tout ce qui alourdit notre marche, Courir avec persévérance, Regarder Jésus » (Hébreux 12,1-2)
Fitandremana La Réunion 25 taona (2001 - 2026) Paroisse de La Réunion 25ème anniversaire
« Ho mandrakizay anie ny voninahitr’i Jehovah; aoka Jehovah hifaly amin’ny asany. »
Que la gloire de l'Éternel subsiste à jamais! Que l'Éternel se réjouisse de ses œuvres! (Salamo Psaumes 104.31)
**************************************************************************
Alahadin’ny PENTEKOSTA Dimanche de la Pentecôte 24 Mey mai 2026, église St Pierre-Apôtre, La ZUP, Le Port à 9h
FANDRAISANA Sainte Cène
VOKA-DEHIBE VOALOHANY 1ère Grandes récoltes
**************************************************************************
Teny hotorina Base de la prédication 1 Korintiana Corinthiens 12.13
« Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. » En effet, que nous soyons juifs ou grecs, esclaves ou libres, nous avons tous été baptisés dans un seul Esprit pour former un seul corps et nous avons tous bu à un seul Esprit.
Lohahevitry ny fankalazana : NY FANAHY MASINA, FANOMEZAN’ANDRIAMANITRA
Thème de la célébration : Le Saint Esprit, don de Dieu
Pasteur Radoniaina TOVONJARAHARILIVA
**************************************************************************
Hira Cantique FF 4 : 1,2 (Ry Fanahy ô midina Viens à nous Saint Esprit) fidiran’ny Mpanao raharaha Entrée des officiants [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
Mpitarika (l’officiant) : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
Fiangonana (l’assemblée) : Amena
Hira Sampana Antoko Mpihira chant de la chorale
Teny fandraisana sy fiarahabana accueil et salutation
FIARAHABANA APOSTOLIKA (Salutation apostolique) :
« Ho an’izay rehetra malalan’Andriamanitra sady voantso no masina : Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo » à tous ceux qui sont bien-aimés de Dieu, appelés à être saints : que la grâce et la paix vous soient données de la part de Dieu notre Père et du Seigneur Jésus Christ! (Romana Romains 1,7)
FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA Louange Salamo Psaumes 104 : 31-34
« Maniraka ny Fanahinao Ianao, dia ary izy, ary manavao ny tarehin’ny tany Ianao. Ho mandrakizay anie ny voninahitr’i Jehovah;
Aoka Jehovah hifaly amin’ny asany. Jereny ny tany, dia mihorohoro; tendren’ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka. Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa; hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina. Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin’i Jehovah. Amena. » Tu envoies ton souffle, et ils sont créés; tu renouvelles ainsi la surface de la terre. Que la gloire de l’Éternel dure éternellement! Que l’Éternel se réjouisse de ses œuvres! Il regarde la terre, et elle tremble; il touche les montagnes, et elles fument. Je veux chanter en l’honneur de l’Éternel tant que je vivrai, je veux célébrer mon Dieu tant que j’existerai. Que ma louange lui soit agréable! Je veux me réjouir en l’Éternel. Amen!
Hira Cantique 182 : 1,2,4 (Feo FFPM 20 Ny Pentekosta tonga izao en ce jour de Pentecôte)
VAVAKA FIHAONANA (prière) [Mipetraka, l’Assemblée s’assoie après la prière]
Feon-kira fohy Musique
Fahanginana Silence
FIAIKEN-KELOKA SY FIFONANA Confession des péchés
Fiangonana (l’assemblée) : « Ry Rainay be famindram-po ô, mitalaho aminao izahay; mamelà ny helokay; Diovy izahay ho afa-pahotana; sasao izahay ho afa-keloka; ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao. ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amena. »
HIRA FIFONANA Cantique de confession des péchés :
Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindra fo aminay!
Ry Jesosy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay!
Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay!
TENY FAMELAN-KELOKA SY FIHAVANANA Annonces de la rémission des péchés [Mitsangana l’Assemblée se lève]
Mpitarika (l’officiant) : Ry havana, henoy ka raiso ny teny famelan-keloka avy amin’ny Tompo :
« Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesoa tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo. »
VOAVELA NY HELOKAREO NOHO NY ANARANY MASINA ! MIDERA AN'ANDRIAMANITRA
Et si Christ est en vous, votre corps, il est vrai, est mort à cause du péché, mais votre esprit est vie à cause de la justice. Et si l’Esprit de celui qui a ressuscité Jésus habite en vous, celui qui a ressuscité Christ rendra aussi la vie à votre corps mortel par son Esprit qui habite en vous. (Romana Romains 8.10-11) PAR SON SAINT NOM, VOS PÉCHÉS SONT PARDONNÉS LOUEZ DIEU!
Fiangonana (l’assemblée) : "Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay" (Jaona Jean 3 : 16)
Hira Cantique 178 : 1,3 (Feo FFPM 175 Avia Fanahy Viens Saint Esprit)
SITRAPON’ANDRIAMANITRA Volontés de Dieu
Mpitarika (l’officiant) : « Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona. En effet, tous ceux qui sont conduits par l’Esprit de Dieu sont fils de Dieu. Si nous vivons par l’Esprit, laissons-nous aussi conduire par l’Esprit. Ne soyons pas vaniteux en nous provoquant les uns les autres, en nous portant envie les uns aux autres. (Romana Romains 8 : 14; Galatiana Galates 5 : 25-26) Amena (Hiraina chanté)
FANKALAZANA Louange (Hiraina chanté)
Mpitarika (l’officiant) : Voninahitra any amin’ny Avo indrindra ho an’Andriamanitra
Fiangonana (l’assemblée) : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.
Hiran’ny ankizy sy ny tanora Cantique 177 : 1,2 (Ry Fanahy Mpanazava Esprit d’illumination) tous les enfants et les jeunes se lèvent pour chanter
TORITENY amin’ny teny frantsay (quelques minutes de méditation en français)
FAMAKIANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA Lectures bibliques
Hira Cantique 177 : 3 (Ry Fanahy Mpanazava Esprit d’illumination)
Mpitarika (l’officiant) : Ho aminareo anie ny Tompo! [Mitsangana - l’Assemblée se lève]
Fiangonana (l’assemblée) : Ary ho amin’ny fanahinao!
Vavaka hampahazava ny Teny Prière d’illumination
SORATRA MASINA Écritures saintes :
- Asan’ny Apostoly Actes des Apôtres 2.1-11
- 1 Korintiana Corinthiens 12.3-13
Hira Cantique 177 : 4 (Ry Fanahy Mpanazava Esprit d’illumination)
- Jaona Jean 20.19-23 [Mitsangana, l’Assemblée se lève]
Hira Cantique Isaorana anie ny Tompo noho ny Filazantsara.
FANEKEM-PINOANA APOSTOLIKA (Symbole des Apôtres) [Mitsangana, l’Assemblée se lève] :
|
Mino an' Andriamanitra Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany aho. ary mino an'i Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, Izay notorontoronina tamin'ny Fanahy Masina, naterak'i Maria Virjina, nijaly raha nanapaka Pontio Pilato, |
Je crois en Dieu, le Père tout-puissant, Créateur du ciel et de la terre. Je crois en Jésus-Christ, son Fils unique, Notre Seigneur, Qui a été conçu du Saint-Esprit et Qui est né de la Vierge Marie. Il a souffert sous Ponce Pilate, Il a été crucifié, Il est mort, Il a été enseveli, Il est descendu aux enfers. Le troisième jour, Il est ressuscité des morts; Il est monté au ciel; Il siège à la droite de Dieu. |
Hira Cantique 176 : 2 (Tongava ry Mpananatra ô Esprit Consolateur)
TORITENY Prédication
RAISO NY FITAHIANA Recevez cette bénédiction [Mitsangana L’assemblée se lève]
Zava-maneno Musique
Hira Sampana Antoko Mpihira chant de la chorale
FILAZAN-DRAHARAHA Annonces
RAKITRA VALOPY Offrandes - enveloppes Hira Cantique 179 (Ny Fanahy Masina efa tonga Le Saint Esprit nous est donné), FF 26 (Jesosy reharehako Jésus ma fierté)
Fanolorana Hira Cantique Ry Tompon’ny harena ô tout est à Toi Seigneur
FANASAN’NY TOMPO Sainte Cène
Manasa antsika rehetra sy izay vahiny avy amin’ny Fiangonana hafa efa Mpandray ka vonona am-panahy hiara-miombona amin’izao Fanasana Masina izao Nous invitons les membres communiants des autres confessions disposés à communier avec nous
Hira fiomanana amin'ny Fanasan'ny Tompo cantique préparant la Sainte Cène 175 : 1,3 (Avia Fanahy ô Viens Esprit)
Mpitarika (l’officiant) : Ho aminareo anie ny fiadanan'ny Tompo. Aoka hifampizara ny fiadanana isika. Mifampizara ny fiadanana ny Fiangonana ka mifanao hoe : “Ho aminao anie ny fiadanana”
FANANDRATANA Sursum corda
Mpitarika (l’officiant) : Asandrato ny fonareo ho eo amin'ny Tompo
Fiangonana (l’assemblée) : Asandratray ny fonay ho eo amin’ny Tompo
Mpitarika (l’officiant) : Aoka ho deraintsika ny Tompo Andriamanitra
Fiangonana (l’assemblée) : Mendrika ho deraina Izy
VAVAKA FANOMBOHANA - Préface
Mpitarika (l’officiant) : Eny tokoa, Ray Masina, Andriamanitra mandrakizay, mahefa ny zavatra rehetra ! Mety sy mahavonjy ny hisaoranay Anao amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay, Izay tia anay sy nanolo-tena hamonjy anay. Amin’ny alalany koa no hideran’ny anjely ny fiandriananao sy hitsaohan’ny fanapahana rehetra Anao amin’ny tahotra, ary iarahan’ny fiangonana any an-danitra sy ety an-tany midera ny anaranao amin’ny fihobiana. Izahay koa ankehitriny miara-manandratra ny feonay amin’izy ireo, ka amin’ny fanajana lehibe no hideranay hoe :
Antema 1 : Masina, masina, masina, Jehovah Tompo ! Feno ny voninahitrao izao rehetra izao, ry Tompo ô. Amena. – Sanctus –
Teny fanorenana Paroles d'institution
Mpitarika (l’officiant) : Jesoa Kristy Tompontsika, tamin'ny alina izay namadihana Azy dia nandray ny mofo, ary rehefa nisaotra Izy dia novakiany ka hoy Izy : « Raiso, hano, ity no Tenako Izay omena ho anareo, izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. » Ary toy izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana dia hoy Izy : « Misotroa amin'ity ianareo rehetra, fa ity no Ràko, dia ny amin'ny fanekena vaovao, izay alatsaka ho an'ny rehetra ho famelan-keloka. Koa na oviana na oviana no misotro ianareo dia izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. »
Vavaka - Anamnèse [Mipetraka, l’assemblée s’assoit]
Mpitarika (l’officiant) : Ry kristiana malala, aoka isika hahatsiaro an'i Jesoa Kristy Izay maty nisolo antsika sy nitsangana ho fanamarinana antsika, dia fanati-pihavanana natolotr'Andriamanitra antsika, ary aoka isika hiara-misaotra sy hivavaka :
Mpitarika (l’officiant) : Misaotra Anao izahay Andriamanitra Rainay, Tompon'ny lanitra sy ny tany fa noho ny famindramponao aminay mpanota mahantra, dia nomenao ny Zanakao Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Rainay any an-danitra ô, indreto izahay manao eto anatrehanao ny fahatsiarovana ny fahatongavan'ny Zanakao ho olona, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fifonany mandrakizay ho anay, ka miandry sy mitalaho ny fiverenany izahay.
Fahanginana... silence
Epiclèse
Mpitarika (l’officiant) : Ankehitriny Ray ô, aidino ny Fanahy Masina mba hameno ny fonay, ka handraisanay tokoa ny Tomponay amin'ny finoana velona, amin'izao Izy manatona anay amin'ny alalan'izao fanasana izao.
Fiangonana (l’assemblée) : Ry Jesoa Kristy Tompo ô, izahay izay tonga eto anatrehanao hiombona amin'ny latabatrao masina dia mangataka mba hampiraisinao aminao, ohatry ny sampana amin'ny voaloboka. Ampianaro hifankatia tahaka ny nitiavanao anay izahay. Ary aoka izahay hiara-manana amin'ny fiangonana masina manontolo ny fiononana sy ny fifaliana aminao. Amen.
Hira cantique 117 (Ô ry Zanakondry, L'Agneau de Dieu)
Mpitarika (l’officiant) : Efa nandray ny Fanahy maha-zanak’Andriamanitra antsika isika, koa izany no hahafahantsika manatona ny Ray hoe Rainay izay any an-danitra
Famakiana ny mofo sy fanandratana ny kapoaka - fraction du pain et élévation de la coupe
Mpitarika (l’officiant) : Ny mofo izay vakintsika dia firaisana amin’ny Tenan’i Jesoa Kristy Tompontsika izay nomena ho antsika. Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika dia firaisana amin’ny ran’i Jesoa Kristy Tompontsika izay nalatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.
Fanasana - invitation –
Mpitarika (l’officiant) : Hoy ny Tompo, avia, fa efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra
Hira Cantiques Fizarana mofo sy kapoaka distribution : 107 (Maniry mafy aho mon souhait le plus profond), 109
Fandraisana - Communion –
Mpitarika (l’officiant) : Hoy Jesoa Kristy Tompo : Raiso, hano, ity no tenako. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Hoy Jesoa Kristy Tompo : Sotroinareo rehetra ity, fa ity no rako, dia ny amin’ny Fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro ho famelankeloka. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.
Vavaka fisaorana iombonana : Salamo Psaumes 103.1
Misaora an’I Jehovah ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny anaran’ny Masina
Misaora an’I Jehovah ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra. Amena
TENY FAMPAHEREZANA Exhortation
Mpitarika (l’officiant) : Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. Fa izay an’i Kristy Jesoa dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filàny tamin’ny hazofijaliana. Amena. Mais le fruit de l’Esprit, c’est l’amour, la joie, la paix, la patience, la bonté, la bienveillance, la foi, la douceur, la maîtrise de soi. Contre de telles attitudes, il n’y a pas de loi. Ceux qui appartiennent à [Jésus-]Christ ont crucifié leur nature propre avec ses passions et ses désirs. (Galatiana Galates 5 : 22-24)
Hira Cantique 175 : 6 (Mitomoera aty anatin’ny fonay demeure dans notre cœur)
Fanangonana kapoaka sy raki-pisaorana ramassage des verres et offrandes : Hira cantique LE SEIGNEUR NOUS A AIMÉ
VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA Prières d’intercession
VOKA-DEHIBE Grandes récoltes
HAFATRA SY TSODRANO (Exhortation finale et bénédiction)
Mpitarika (l’officiant) : « Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, eny, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan-anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. Amena. Or nous savons que, jusqu’à maintenant, la création tout entière soupire et souffre les douleurs de l’accouchement. Et ce n’est pas elle seule qui soupire, mais nous aussi, qui avons pourtant dans l’Esprit un avant-goût de cet avenir, nous soupirons en nous-mêmes en attendant l’adoption, la libération de notre corps. (Romana Romains 8 : 22-23)
Mpitarika (l’officiant) : Ho aminareo anie ny Tompo !
Fiangonana (l’assemblée) : Ary ho amin’ny fanahinao
Mpitarika (l’officiant) : « Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina. » Que la grâce du Seigneur Jésus-Christ, l’amour de Dieu et la communion du Saint-Esprit soient avec vous tous! (2 Korintiana Corinthiens 13 : 14)
Fiangonana (l’assemblée) : Amen! Haleloia! Amen!
Hira Cantique 530 (Fitiavana rano velona, Amour, eau vive)
FANIRAHANA (Envoi)
Mpitarika (l’officiant) : Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina Izay hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary ho mandrakizay. Amena. Mandehana amin’ny fiadanana ka manompoa ny Tompo.
Fiangonana (l’assemblée) : Isaorana anie Andriamanitra Rendons grâce à Dieu
Feon-java-maneno firavana (Postlude)
Le pasteur salue l'assemblée à la sorite
Prochains cultes :
- Dimanche 31 mai 2026, ANKATOKA, Ezaka fanorenana, Chapelle Immaculée Conception, Rue Sainte Anne, Saint Denis à 9h30